15 febroary — I Claude La Colombière dia teraka tamin'ny taona 1642 tao amin'ilay tanana antsoina hoe Saint-Syphorien-d'Ozon ary maty tao Paray-le-Monial ny 15 febroary 1682. Tao Avignon izy no novisy tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa. Avy eo izy nanohy ny fianarany tany Paris.

Tao no nifandraisany tamin'ireo olona mpanohitra ny fanavaozana tao amin'ny Fiangonana Katôlika. Rehefa nohamasinina ho pretra izy dia nampianatra tao Lyon, avy eo notendrena ho lehiben'ny Kolejy Paray-le-Monial ary tao izy no nihaona tamin'i Marguerite-Marie Alacoque relijiozy tao amin'ny fikambanana Visitation de Sainte Marie. I Claude no lasa mpitantana am-panahy an'i Marguerite-Marie avy eo ary nanampy azy nanapariaka ny fomba fivavahana fanajana ny Fo Masin'i Jesoa.

Taty aoriana kely i Claude dia lasa mpitantana am-panahy ny Duchesse d'York tao Londres. Tao izy no nofonjaina ny taona 1678 noho izy nolazaina fa "papiste" izany hoe ireo izay manaiky ny papa. Niverina tany Lyon indray izy avy eo ary nody tany Paray-le-Monial ka tao izy no nodimandry teo amin'ny 41 taonany. Maro ny asa soratra navelan'i Claude, tao ny toriteny, ny fandinihana ny fijalian'i Kristy, ny famakafakana ary ireo taratasy momba ny fikolokoloana ny fanahy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...