15 febroary — I Claude La Colombière dia teraka tamin'ny taona 1642 tao amin'ilay tanana antsoina hoe Saint-Syphorien-d'Ozon ary maty tao Paray-le-Monial ny 15 febroary 1682. Tao Avignon izy no novisy tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa. Avy eo izy nanohy ny fianarany tany Paris.

Tao no nifandraisany tamin'ireo olona mpanohitra ny fanavaozana tao amin'ny Fiangonana Katôlika. Rehefa nohamasinina ho pretra izy dia nampianatra tao Lyon, avy eo notendrena ho lehiben'ny Kolejy Paray-le-Monial ary tao izy no nihaona tamin'i Marguerite-Marie Alacoque relijiozy tao amin'ny fikambanana Visitation de Sainte Marie. I Claude no lasa mpitantana am-panahy an'i Marguerite-Marie avy eo ary nanampy azy nanapariaka ny fomba fivavahana fanajana ny Fo Masin'i Jesoa.

Taty aoriana kely i Claude dia lasa mpitantana am-panahy ny Duchesse d'York tao Londres. Tao izy no nofonjaina ny taona 1678 noho izy nolazaina fa "papiste" izany hoe ireo izay manaiky ny papa. Niverina tany Lyon indray izy avy eo ary nody tany Paray-le-Monial ka tao izy no nodimandry teo amin'ny 41 taonany. Maro ny asa soratra navelan'i Claude, tao ny toriteny, ny fandinihana ny fijalian'i Kristy, ny famakafakana ary ireo taratasy momba ny fikolokoloana ny fanahy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...