Zoma 25 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 1-4
Zava-dehibe ny fihariana sy ny fananana asa fivelomana araka ny lamina voajanahary. Ny asan'ny olombelona no iderany sy anomezany voninahitra an'Andriamanitra. Tsy mety ny filàna tombotsoa manokana sy ny kolikoly ary ny fanararaotana mbamin'ny fanomezana tombondahany ny sasany eo anivon'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Alakamisy 24 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra : handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66. 80
Hery lehibe ho antsika ny famangian'ny Papa Fransoa teto Madagasikara, izay toa nanomana antsika hiatrika ireo olana samihafa toa ny krizy ara-pahasalamana. Nanantitratitra ny Papa Fransoa fa mafy ny vokatry ny fisokafana amin'ny fanatontoloana, izay mandevina sy mamono ireo vakoka sy ny fomba aman-kolontsaina. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco