Alakamisy 24 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra : handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66. 80

"Ho inona re, ity zaza ity ? Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo." Amin’ny litorjia, ny fahaterahan’i Joany Batista sy ny an’i Jesoa ihany no ankalazaina manokana. Joany Batista, zaza tao anatin’ny fahanterana sy fahamombana ary ny fisalasalana ka nahatonga an’i Zakaria rainy lasa moana. I Jesoa indray dia zaza azo avy amin’ny fahavirijiniana sy ny finoana ary avy amin’ny Fanahy Masina. Misongadina manokana amin’ny Evanjely ny fanomezana anarana an’i Joany Baptista. Niady hevitra mihitsy ny fianakaviany tamin’ny fanomezana anarana azy. Tsy nandova ny anaran-drainy izy fa nomen’ny rainy anarana hafa ho azy. Tsy hanaraka ny fomban-drazana na ny fomba amam-panao mahazatra i Joany Baptista fa hanatanteraka ny sitrak’Andriamanitra, araka ny anarany dia ny fanomanana ny fandraisana an’i Jesoa.

Izy no mpaminany lehibe farany, manakatona ny tantaram-pamonjena ao amin’ny Testamenta Taloha ary manokatra ny Testamenta Vaovao. Sitrak’Andriamanitra no ahatanteraka ny fikasany sy ny fianianany ; izay ilay anaran’i Elizabeta, Andriamanitra nianiana. Ary Andriamanitra tsy manadino ny vahoakany fa mahatsiaro mandrakariva ny fampanantenany ; izay ilay anaran’i Zakaria rainy. Misy heviny lehibe ny anarana ka tsy mety raha tsy voadinika tsara ny fanomezana azy. Nahay niteny avy hatrany i Zakaria raha vao nametraka ny anarana hoe Joany ny anaran’ny zanany. Izany hoe nisokatra ny vavany satria mifanaraka tsara araka ny fikasan’Andriamanitra ny maha izy ity zanany. Tsapan’ireo mponina fa notsimbinin’Andriamanitra ity fianakaviana ity ka namisavisa sahady ny amin’i Joany, ho inona re ity zaza ity ?

Nampiana hoe Batista ny anaran’i Joany satria Izy no nampibebaka ireo Jody, niroso nandray ny batemy. Izy ilay feo miantso fibebahana any an’efitra ho vonona handray ilay Mesia, hanao batemy amin’ny Fanahy Masina. Feno ny Fanahy Masina Izy. Nifady hanina ary nitokana tany an’efitra mialoha ny asa atrehiny. Nanomana ny fandraisana an’i Jesoa ka nampibebaka. Sahy milaza ny fitondran-tena marina tokony arahina ka sahy niteny tamin’i Heroda mpanjaka hoe tsy afaka ny manambady ny vadin’ny rahalahinao ianao ka nahatonga azy maty martiry. Olon’ny fanetren-tena ka niteny hoe : "Izy tsy maintsy mitombo ary izaho tsy maintsy mihena". Tsy nitory tena na nisandoka ho Mesia ka sahy nilaza fa tsy izy no ilay andrasana fa ilay ao aoriany manao batemy amin’ny rano sy ny Fanahy Masina.

Ao anatin’ny fanomanana ny fetim-pirenena isika no samy mandini-tena amin’ny asa aman-draharaha sy ny adidy aman’andraikitra atrehintsika. Manatanteraka ny iraka ampanaovina antsika araka ny sitrak’Andriamanitra ve isika sa izay sitrapontsika ka mety mahatonga antsika hanao kolikoly fa tsy sahy mijoro amin’ny fahamarinana ? Ohatra lehibe ho antsika i Joany Batista, ilay sitrak’Andriamanitra. Mbola ao anatin’ny fahantrana sy ny fitondran-tena mamohetra isika indraindray ka aoka ho sahy tahaka an’i Joany Batista nanentana ka nampibebaka olona maro. Aoka koa isika ho sahy hampandroso, hitondra ny fahamarinana, hahay hitsimbina ny vavalabemandry, hahay handray andraikitra. I Joany nitondra fivoarana tamin’ny fibebahan’ireo nihaino ny feony. Aoka koa isika hampandroso ny manodidina antsika fa tsy sanatria mety hampihemotra noho ny ataontsika.

Ry Ray o, ohatra velona ho anay i Joany Batista amin’ny fanambarana ny marina, sahy miteny ny tsy mety. Mba fenoy ny Fanahy Masina hatrany izahay hahafahanay mijoro ho vavolombelonao. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...