Voatery nandao ny tanindrazany i Jakoba noho ny fifandirana lava teo amin'ny sy ny rahalahiny, ary mba hakany vady any amin'ny tanindrazan-dreniny ; nahomby tamin'izay rehetra nataony izy. Azony ho vady ny zanak'i Labana na dia nanompoany an'ity farany 14 taona aza, mba ahazoana ho vady ny zanak'i Labana dia nampanaovin'io fanompoana fito taona izy, niampy fito taona hafa. Azon'i Jakoba avokoa ny vady sy ny harena... Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
10 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)
Misy tantara telo farafahakeliny maneho ny hafetsena sy hakingan'i Jakoba : voalohany ny nakany ny fizokiana tamin'i Esao, ny faharoa ny nakany ny tsodranon-drainy, raha tsiahivina mantsy dia izy no nitondra sakafo ho an'ny rainy mba handraisany ny tso-drano, ary ny fahatelo ny nahatonga azy ho mpanankarena fatratra. Ny anarana hoe "jakoba" dia midika hoe lehilahy kinga, miasa amim-pahaizana... Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
9 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 32-38)
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco