15 avrily 2025 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 21-33. 36-38)
Mila mailo, tsy lavitra anao ny olona hamadika anao, tanan-kavanan’i Jesoa i Jodasy, olona natokisana na dia tsy voateny matetika aza i Jodasy dia anisan’ny olona manana anjara toerana manokana tao amin’ny Apostoly, satria izy no mitam-bola, izy no mpikarakara ny lafiny ara-tsakafo sy ara-pivelomana, kanefa afaka nivadika sy namono an’i Jesoa izy. Tandremo fa tsy lavitra anao ny fahavalonao.
Ny Evanjely androany dia miresaka ny zava-misy momba ny sakafo farany niarahan’i Jesoa tamin’ny Apostoly tamin’ny Alakamisy Masina Hariva. Asehony fa tena Andriamanitra Marina izy satria mahafantatra ny ao am-po tsy miloaka, ary mahafantatra ny ho avy, tsy hoe ny famadihan’i Jodasy ihany no efa fantany fa hatramin’ny fandavan’i Piera azy ihany koa dia efa tsinjony mialoha. Ny fivadihan’i Jodasy, satria tsy misy miafina amin’i Jesoa ny teti-dratsy izay kasain’i Jodasy atao dia nambarany mialoha mba tsy ho tompon-trano mihono ny mpianatra rehetra amin’izay mitranga. Lazaiko marina dia marina aminareo fa hamadika ahy ny anakiray aminareo, kinanjo tsy nisy nahalala ny zavatra nolazain’i Jesoa izy ireo, fa ilay mpianatra malalan’i Jesoa ihany no mba sahy nanelanelana nanontany azy hoe iza moa izany Tompoko? Tsy niteny nivantana i Jesoa eto fa toromarika kely no ahafantarana izany izay hatolorako sombimofo natsoboka tamin’ny ro no izy, angamba tsy he hanalabaraka an’i Jodasy izy fa raha atao indray mijery dia ohatrany hoe i Jesoa mihitsy no efa vonona ny ho faty satria izy mihitsy no naniraka an’i Jodasy hanatanteraka ny famadihana azy. “Ataovy haingana izay hataona, fantany izay rehetra hanjo azy fa tsy hihemotra velively izy.
Efa alina ny andro tamin’izany. Matetika i Masindahy Joany dia efa mampiasa fomba fiteny izay mifona hevitra miafina, ny alina dia manambara fahamaizinana, “ténèbre”, raha mivoaka i Jodasy dia maizina ny andro, marina fa andro no nanaovana ny sakafo farany fa ny tena tiany hambara kosa dia hoe vita ny sakafo, tapitra ny hafaliana fa miroso amin’ny tena zava-dehibe amin’izay izao dia ny fisamborana sy ny famonoana azy. Nomem-boninahitra izao ny zanak’olona dia teo aza ny fijaliana sy ny fahafatesana dia nambaran’i Jesoa kosa fa misy ny fitsanganan-ko velona. Rehefa tafatsangana izy dia mandray ilay voninahitra maha Andriamanitra Azy indray.
Ny fandavan’i Piera, rehefa nilaza fa andeha i Jesoa, ary tsy ho azon’ny mpianatra aleha ny handehanany dia mbola nanizingizina ihany i Simona Piera fa tsy maintsy hanaraka azy na dia hamoizany ny ainy aza izany. Matetika i Piera dia saomary mafana fo be izay ihany, efa izay no toetrany, tia manontany koa izy rehefa misy zavatra mampiahiahy azy kanefa nambarany azy fa amin’izao izy mbola tsy afaka manaraka azy fa mbola ho avy ny anjarany. Fanambarana amin’ny fomba miafina ny fahafatesana izay tsy maintsy hanjo an’i Piera indray andro any. Ny fandavan’i Piera azy dia misy antony ankoatra ny tahotra ny ho faty na dia tsy maintsy mbola ho faty aza fa i Piera no hitondra ny Eglizy, rehefa tsy eo i Jesoa.