Zoma 25 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 1-12
Toy izao no nanehoan'i Kristy ny fahantrany izay tokony hotahafin'ny relijiozy : Nanao tsinotsinona ny fahamboniana nananany teo aloha Izy mba hampanankarena antsika olombelona (2 Kor. 8, 9). Misy toetra roa anehoan'ny relijiozy ny fahatrana : ny firotsahana sy ny fahatokisana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alakamisy 24 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 40-49
Nisafidy ny hahantra ny relijiozy, izay tsy midika hoe tsy manana na fadiranovana ny relijiozy. Miezaka ny hanana fahafahana anaty ny relijiozy manoloana ny haren'ny tany mba hanatanterahany ny hafatr'i Jesoa, izay voasoratra ao amin'i Mt 6, 25. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco