13 aogositra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 1-5. 10. 12-14)
Ny anarana hoe "Elia" dia midika hoe "Ny Tompo no Andriamanitra". Raha ny Soratra Masina no jerena dia ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka 17 ka hatramin'ny Boky faharoa Mpanjaka 2 no ahitana ny mombamomba an'i Elia Mpaminany. Tsy hita taratra loatra ny niandohany ary ny tanjony ihany koa tsy hita mazava tsara satria izy moa noentin'ny kalesy nakany an-danitra, izay no mahatonga ny Soratra Masina milaza ho miandry ny hiverenany. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.
12 aogositra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)
Tsy nijanona teo amin'i Jesoa ihany akory ny Salamo fa mbola mitohy hatramin'izao androtsika izao. Azo lazaina fa tena mbola avokavoky ny vavaka na ilay atao hoe litorijian'ny fiangonana ny Salamo. Vavaka tsara indrindra sy sarobidy ny Salamo. Raha ao amin'ny Testamenta Vaovao dia ny Rainay any an-danitra no vavaka tsara indrindra izay nampianarin'i Jesoa ny mpianany, fa ny ao amin'ny Testamenta Taloha dia ny Salamo. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco