27 marsa 2024 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)

Fahotana mahafaty ny fanalan-jaza satria maniratsira an'Andriamanitra Mpahary ny aina ; manala ny zon'ny olombelona hiaina. Ny firaisana ara-nofo dia fitiavana fa tsy kilalao. Ny fandriandram-piterahana ara-boajanahary no soso-kevitry ny fiangonana. Manana adidy lehibe ny mpanabe ho fampianarana mikasika ny fiainana sy ny fitiavana, tokony olona vonona amin'ny lafiny rehetra ny olona miroso hanorina tokan-trano. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

26 marsa 2024 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 21-33. 36-38)

Raran'ny fiangonana ny fanalan-jaza satria eloka mamoafady tokoa. Hoy ny Papa Joany faha-II : Fikorontanan-tsaina lehibe ny fanalan-jaza hiniana atao ho toy ny tanjona na toy ny fomba enti-manao satria mamono an-tsitra-po ny olona tsy manan-tsiny. Heloka bevava mitarika tsy fahazoana mandray Sakramenta ny fanalan-jaza na ny firaisana tsikombakomba amin'ny fanaovana izany. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...