22 mey 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Jesoa i Joany nanao hoe:

“Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay;
nefa tsy namantsika ka noraranay.”

Fa hoy i Jesoa:

“Aza raranareo izy;
fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako
ka hanaratsy Ahy vetivety foana.
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.”

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...