18 jona 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
Fiainana voalohany ny fahariana satria vao noharin'Andriamanitra ny zava-manana aina rehetra, anisan'izany isika olombelona, niara-teraka taminy koa ny aina. Hoy ny Boky Fahendrena 1, 13 - 14 : "fa tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan'ny velona. Nohariana ho amin'ny fiainana ny zavatra rehetra" ; 2, 23 "satria noharin'Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin'ny tenany... Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
17 jona 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)
Zava-dehibe ho an'ny tsirairay ny fananana ny hatsaran-toetra sy hatsaram-panahy. Misy ambaratonga 13 ao amin'ny afo fandiovana, araka ny tsy fitandramantsika ny hatsaram-panahy : ny tahotra an'Andriamanitra, fihantrana sy fangorahana, finoana, fanantenana, fanekena, fivalozana, fitiavam-bavaka, fahadiovana, fahamalinanan, heripo amam-panahy, fahononantena, fahalavorariana, fahamarinana. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco