 
 
											  
 
			Ny toe-panahy tsara hananana amin'ny fanantanterahana ny adidy : Toe-panahin-janaka, zanak'Andriamanitra isika noho izany dia mila fahatokisana sy manaiky hianteherana. Toe-panahin-tsakaiza izany hoe mahatoky, eo koa ny toe-tsana afaka mikarakara mba hisy fahavelomana sy fahalalana ary fahafahana. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.
 
 
											  
 
			Ny toeran'ny Fianakaviana any am-piangonana : fanomezan'Andriamanitra satrai ny tsirairay dia samy nahazo fanomezana ary dia tonga fanomezana ; Fiangonana fototra izany hoe Eglizy eo anivon'ny ankohonana. Ny fianakaviana dia loharano impoiran'ny fitohizan'ny taranaka ary feon'ny fiangonana. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.
 
 
											  
 
			Mahasolo ny adidy atao any am-piangonana ve ny fanomezana atao?. Mety havaly azy ireto satria ny Fiangonana Fianakaviana : tsy association caritatif mpandray fanomezana fa miara-miaina, miara-mankalaza. Fiangonana Fiombonana : Misy Fiaraha-mientana ilaina ny isam-batan'olona. Fiangonana Iraka : Manana iraka atao. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.
 
 
											  
 
			Ny tsirairay vita batemy dia manana adidy ao amin'ny fiangonana, satria koa nahazo fanomezam-pahasoavana maro. Maro samihafa ny fanomezam-pahasoavana fa ny Tompo iray ihany. Miseho amin'ny alalan'ny fidirana Fikambanana Masina na Vaomieran'asa samihafa ny anjara tandrify. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.
 
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny... 
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny... 
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco