Lehibe tokoa ny anjara toeran'ny lahika ao amin'ny Eglizy sy eo amin'izao tontolo izao. Koa tsy maintsy mahay mifandray tsara amin'ny mpitondra izy ireo, indrindra eo amin'ny lafiny fiaraha-miasa. Asa vadidrano ny fanasoavana ny Eglizy ka tsy maintsy hifandrombonan'ny Mpitondra sy ny Kristiana izay entiny. Afaka manambara malalaka ny heviny ny lahika amin'ny fanatsarana ny Eglizy.  Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Mandray anjara amin'ny maha Mpaminany sy Vavolombelon'i Kristy ny lahika ka mahazo fanampiana sy fahasoavana hanambara ny Vaovao Mahafaly eo amin'ny mpianakavy sy ny mpiara-monina. Mandray anjara amin'ny fahamendrehana maha Mpanjaka ihany koa ny lahika. Manjakan'ny zava-boahary ny olombelona.  Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Ny mpitondra ao amin'ny Eglizy dia mahatsapa sy mahalala tsara fa mavesa-danja ny anjara asan'ny lahika eo amin'ny fanasoavana ny Eglizy manontolo. Io anjara asa io dia ny fandraisana anjara amin'ny asan'i Kristy Mpisorona, Mpaminany sy Mpanjaka, ary misahana araka ny tandrify azy ny asan'ny vahoaka kristiana manontolo eo amin'ny Eglizy sy eo amin'izao tontolo izao. Nantsoina hizaka ny zavatry ny tany ny lahika. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Manana fahamendrehana ny lahika noho izy ao anatin'ny vahoakan'Andriamanitra mitovy zo sy hasina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Tokana ny vahoaka nofidin'Andriamanitra : tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray. Noho izany, iombonana ny fahamendrehana satria samy nateraka indray tao amin'i Kristy. Tsy misy eo amin'ny Kristy sy ny Eglizy ny fanavakavahana. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...