Mifameno mandrakariva ny fanabeazana omena ao an-tokantrano sy ny omen'ny namana eny anivon'ny fiaraha-monina. Anjaran'ny ray aman-dreny niteraka no manampy ny zanany hahafehy tsara ireo sy manampy azy hahay hanavaka ny namana tsara sy ny naman-dratsy. Raha tsy izany dia handringa ny fiainan'ilay zanaka ka na haditra izy na hikombona tsy afaka hivelatra. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

Aoka ho tsapan'ny ray aman-dreny fa io zanany io dia manavaka tsara ny ao an-tranony sy ny fifaneraserany amin'ny mpiara-belona namany. Araka izany dia atao izay hahatsapan'ny zanaka fa samy manana ny hanitra ho azy na ny ao an-trano na ny any ivelany, ary samy manampy azy hivelatra eo amin'ny fiainany. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

Ho tonga olombanona sy tafita eo amin'ny fiainana ary mifikitra amin'ny finoana no fanirian'ny ray aman-dreny ho an'ny zanany. Hany ka rehefa maditra ny zanany dia lazainy fa "tsy mitovy amin'izay zana-bahoaka fa manata-bava". Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

Ny zanaka hendry no harena voalohany ho an'ny ray aman-dreny. Zanaka niriana sy vokatry ny fitiavan'ny mpivady ary araka ny sitrapon'Andriamanitra no anisany manampy be dia be amin'ny fitaizana ny zanaka. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...