Ny ankalazaina ny andron'ny paka dia tohin'ny tantara Masina taorian'ny nitsanganan' i Jesoa ho velona. Ny fisehoana tamin'ireo mpianany no misongadina amin'ny Vaki-teny Masina amin'io Paka io. Piera no vavolombelona voalohany ary nitory ny Vaovao Mahavaly araka izay voasoratra ao amin'ny Asan'ny Apôstôly, ary izany no maha Apôstôlika ny Eglizy.  Katesizy momba ny Sabotsy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny Sabotsy Masina dia misy fankalazana miavaka, fankalazana an'i Jesoa nandresy ny fahafatesana. Misy lafiny telo ny fankalazana : Voalohany Kristy Fahazavana aseho amin'ny alalan'ny Afo Vao sy Jiron'ny Paka ; faharoa Kristy Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Vakiteny Masina ; ny farany Kristy Loharanon'Aina tandindon'ny Batemy. Katesizy momba ny Sabotsy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny Zoma Masina dia hanaovana fifadiana lehibe. Ho fandraisana anjara amin'ny fijalian'i Jesoa sy hibanjinana ny fanavotana. Ny Zoma dia fahatanterahan'ny Sorona dia Izy tenany sy ny namatsihana azy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesan'i Jesoa dia tsy ho an'ny Jody irery fa ho an'izao tontolo izao, na mpino na tsia. Katesizy momba ny Zoma Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny atelon'andron'ny Paka dia manomboka ny Alakamisy. Telo andro mialohan'ny nahafatesany i Jesoa dia naneho zavatra maro : Ny alakamisy Masina no namoronany ny Sakramentan'ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny Filaharana. Ny alakamisy ihany koa dia fetin'ny pretra izay tandindon'ny fanorenena ny Sakramentan'ny Filaharana. Katesizy momba ny Alakamisy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...