Mitranga ho azy ny olana eo amin'ny fiaraha-monina vokatry ny fahatrana sy ny ady ary ny raharaha ara-politika, eo koa ny fanalalahana. Rehefa ao anaty fahantrana ny olona dia noana, tsy afaka miasa ka manaiky ny fizahozahoana sy ny fanararaotrana. Ny fiaraha-monina dia voajanahary ka mila miara-misalahy mba hitovy lenta ny be sy ny maro. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Mila ampitaina sy hanabeazana ny olom-pirenena ny ara-moraly (éthique) sy ny fanajana ny fananana iombonana (biens communs) satria mariky ny fandrosoan'ny maha olona izany. Fitiavana sy hitsim-po no tokony ho entin'ny olom-pirenena mikolokolo ny fitiavan-tanindrazana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Rehefa ny entina no minia manakipy ny masony amin'ny ezaka ataon'ny mpitondra dia miseho ny olana eo amin'ny fifandraisan'ny sarambabem-bahoaka sy ny mpitondra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Rehefa tsy mihaino ny feon'ny fieritreretana ireo mpitondra manana ny fahefana pôlitika dia mora ho an'ny devoly ny maka fanahy azy ; lasa mandainga ny mpitondra rehefa mihoatra ny fahefana ampiasaina. Manimba ny fiaraha-monina ny faharatsian'ny fitantanana ny harena, indrindra fa ireto tsy mikatsaka ny tombotsoa iombonana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...