Ny teny dia anisan'ny fitaovana iray hifandraisana, ary ao antin'ny teny no misy ny fifampihainoana. Zo sy adidin'ny olona tsirairay ny miteny, noho izany dia tokony hohenoina izay miteny. Tsy ny teny rehetra no voatery hohenoina satria misy ireo olona izay manana fahazarana miteny ratsy. Efa niova ny soatoavin'ny fifampihainoana ankehitriny, isan'ny anton'izany ny tambajotra-tserasera isan-karazany. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Ny vokatry ny fifanakalozan-kevitra dia ezahina mba hijanona eo amin'ireo niatrika ny fifanakalozana izany hoe ilàna fahaizana mandanjalanja ny fanapariahana azy. Fiadanam-po ny vokatry ny fifanakalozan-kevitra. Aorian'ny fifanakalozan-kevitra dia ny fahavononana ny hanatanteraka ny dinika no tsy maintsy atrehina mba tsy ho resaka fotsiny. Ilaina hatrany ny fampahatsiahivana izay hevitra tapaka. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Mba hisy vokany ny fifanakalozan-kevitra dia tsy maintsy mitodika amin'Andriamanitra mangataka ny fanilovany, mangataka ny sitrapony, mangataka ny fitantanany. Noho ny asan'ny Fanahy Masina izay manoro hevitra tsara mandrakariva ny olombelona dia manoro antsika Izy, fomba entina hanentanana ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra. Tsy fanaovana fifanakalozan-kevitra eo am-pisakafoana. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Tsy olona iray no mifanakalo hevitra fa misy roa na maromaro, noho izany dia hevitra voadiniky ny maro no hifanakalozana ary mitondra fiombonana izany. Rehefa ny fanapaha-kevitra iray no nandraisan'ny sokajin'olona samihafa anjara dia tonga amin'ny fankatoavana iraisana. Tombony azo raisina amin'izany ny fahavitrihan'ny rehetra hanatontosa ilay fanapahan-kevitra. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco