Misy voka-dratsiny ny fivelarana sy ny fandrosoan'ny fifandraisana ankehitriny satria taloha no nisy ny dinika amoro-patana fa amin'izao fotoana izao dia samy maka ho azy. Nihena na foana ny fihaonan'ny mpianakavy, mifandray amin'ny any ivelan'ny tokantrano fa mifanalavitra ara-pifandraisana amin'ny ao an-trano. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Rehefa ampy fahalalana amin'ny fampisana ny fitaovam-pifandraisana dia mitombo ihany koa ny fahalalana, mirindra ny fiainana ao an-trano. Mivelatra ny fifandraisana amin'ny fiaraha-monina, mitombo ny fahalalana ny zava-misy toy ny fahalalam-baovao. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Adidin'ny mpivady no manabe ny zanany hahay hifandray amin'ny mpiara-belona ; ary hahay hampiasa ny fitaovam-pifandraisana eny manampy amin'ny fampitàna fahalalana. Ny fisian'ny fitaovam-pifandraisana dia misy lafiny tsara ho an'ny olombelona izay mahay mandanjalana ny fampiasana azy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Tsy azo giazana ao an-trano ny fifandraisana. Maro ny miankina amin'ny fitaovam-pifandraisana noho ny asa fivelomana. Fitaovana ho an'ny fivoarana amin'ny maha olona ny fifandraisana. Mivelatra be ny tontolon'ny fifandraisana raha tsy hilaza afa-tsy ny tontolon'ny asa fivelomana sy ny fifanankalozana ara-barotra. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco