Hoy ny Ntaolo : avadibadiho im-pito aloha ny lela alohan'ny hiteny ; izany hoe manontany tena raha azo antoka ny loharano nahenoana resaka mialohan'ny hitantarana azy amin'ny olona hafa. Amin'ny fehezan-teny tokana dia : tsy maintsy mamakafaka sy manadihady vao miteny. Mila mandinika isika, mitady ny loharano marim-pototra sy mazava fa tsy milaza zavatra manjavozavo na honohono. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Ny tsy fahalalana ny marina no fototry ny fanelezana tsaho sy ny vaovao tsy marina. Tokony hiezaka hamantatra ny marina vao milaza zavatra iray amin'ny olona hafa. Mila malina mandrakariva amin'ny fisian'ny tsaho. Tsy zoviana amintsika intsony ny fisian'ilay antsoin'i Jesoa hoe "mpaminany sandoka" ; aelin'izy ireny hisarihana ny sain'ny olona ny hoe "ho tonga ny farandro"... Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Manana adidy ny raiamandreny sy ny mpanabe mba hampianatra ny lanjan'ny fahamarinana sy ny fahitsiana manomboka ao an-tokantrano, eny an-tsekoly ary hatreny amin'ny fiaraha-monina. Ny mpanao gazety sy ny mpiasan'ny haino aman-jery dia tokony ary tsy maintsy manaja ny soatoavina mifehy ny asany. Ny mpitondra dia tokony hampahafantatra izay vaovao marina. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Adidin'ny tsirairay, indrindra ny kristiana ny milaza ny marina. Nambaran'ny Pap François, tamin'ny hafatra ho an'ny andro maneran-tany faha-52 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, ny tokony hirotsahana an-tsehatra iombonana mba hisorohana ny fanelezana vavao tsy marina sy mba hijerena indray ny soatoavin'ny asa fanaovan-gazety sy ny andraikitry tsirairay amin'ny fampitana ny marina. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...