Antsoin'Andriamanitra avokoa isika olombelona rehetra. Antsoiny hiaina araka ny fandaharany isika, antsoiny hiaina araka ny sitrapony. Antsoiny hitovy amin'i Jesoa Kristy isika, izy no modelin'olombelona araka ny sitrapon'Andriamanitra Ray, ka antsoina isika hiombon'aina aminy. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Tsara homarihina fa mifono fanasana ny "fiantsoan'Andriamanitra". Amin'ny maha "fiantsoana" azy dia tsy nisy nisafidy akory fa valin-teny no andrasana amin'izay voaantso. Tsy misy fanerena ihany koa fa fanasana, fiangaviana, tolo-kevitra. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Mba hananana ny faharetana eo am-panarahan-dia an'i Kristy dia Izy miantso no tsy maintsy atao ivon'ny fiainana sy ivon'ny fijery. Raha vao tsy izay  dia lasa manaraka olona hafa isika, lasa mampanjaka firehan-kevitra. Mampihendanja ny faharetana ny fijery ankoatra an'i Kristy. Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.

 Amin'izao fotoana izao dia miaina ao anaty kolontsaina mifangaro isika, ka miezaka mitady zava-baovao sy mahaliana ny olona. Tsy ampy intsony ny fifanentanan'ny iray finoana. Maro ny olona roboka amin'ny zavatra hafa ka manadino ny antso fototra. Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...