Ny firaisam-batan'ny mpivady dia tsy biolojika fotsiny fa misy lafiny ara-panahy. Ireo nahazo ny tso-drano avy amin'Andriamanitra no manana adidy sy andraikitra hanohy ny asa fahariana. Manana ny andraikitra feno ny rehetra amin'ny fitandrovana ny aina : ny olona tsirairay, ny vaomieran'asa...  Hoy Jesoa manoloana ny fanalan-jaza: izay ataonareo amin'ireny madinika ireny dia amiko no anaovanareo azy.  Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Masina ny Aina ka izay no mahatonga an'Andriamanitra hiaro ny Ain'olona sy handràra ny famonoan'olona, ary ny fanakanana ny aina aza dia tsy ankasitrahan'Andriamanitra. Ny fanajana ny aina dia hita taratra ao anatin'ny didy folo : aza mamono olona.  Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny aina dia marefo satria toy ny : entona. Ny olona dia tahaka ny zava-poana, ny androny dia tahaka ny aloka mihelina. Misy ny fomba fiteny malagasy fa ny aina dia tsy hananam-piry na tena tsinontsinona mihitsy aza.  Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Fahefana nomen'Andriamanitra ireo mandray ny tso-dranony ny fanohizana ny asa fahariana ny aina. Na dia mafy aza ny mety ho diavin'ny olona eto amin'ity tany ity dia ataony izay fomba rehetra hitandrovana ny aina. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...