Manana adidy ny laïka ho lalivay eo an'ivon'izao tontolo izao ka ho fiadanana sy fahamarinana ary fifankatiavana no hiainana eto an-tany. Tokony hafehy ny fitaovan-tserasera sy karazam-pitenena misy ankehitriny ireo mpitory ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Mila toriana an-kafaliana ny Vaovao Mahafaly ary hafaliana vokatry ny fiombonan'aina amin'i Kristy. Mora tsikaritr'ireo itoriana ny Evanjely ary mifindra amin'izy ireo ny hafaliana. Manampy ireo mpitory tsy hihemotra amin'ny sedra isan-karazany ny hafaliana. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Mila fahasahiana ny fitoriana an'i Jesoa Kristy. Matetika isika no matahotra ny manolotra an'i Kristy. Tsy azo atao tsirambina ny fandraisana ny Fanahy Masina eo am-panatnterahana ny asa-pitoriana satria Izy no manokatra ny fon'ireo hitoriana ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Manoro antsika santionany amin'ny fomba fitoriana ny Evanjely i Md Lioka, araka izay voalazany ao amin'ny Lk 10, 1-11, "Mila toriana haingana sy hatraiza hatraiza ny hafatr'i kristy hoy izy ka mila mailaka aoka izany ireo Mpitory...". Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco