Ny 23 avrily no andro fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanoratra sy ny vaky boky. Efa misy fomba maro izao entina hanaovana ny vaky boky, indrindra vokatry ny fandrosoana ara-teknôlôjia. Isan'ny fitaovana manampy ny tsirairay hivelatra, hamantatra zava-baovao, afahana mampiana-tena, mampatoky tena manoloana ny olona, manampy amin'ny fahaizana manapa-kevitra... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny olombelona, raha vao teraka dia efa miankin-doha amin'ny olona hafa fa araka ny mahalehibe dia mahaleo tena tsikelikely ; amin'ny faha-20 taona dia efa mahaleo tena, tompon'ny safidy. Ilaina hatrany anefa ny fiombonana sy fifamenoana amin'ny hafa mba ahafahana manohy ny fanorenana tokantrano. Mila mifankahalala ny olona roa hanorina tokantrano mba tsy ho tampoka ny fisehon-javatra maro lafy ao an-tokantrano (fanabeazana, vina...). Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Manatevina ny fifehezan’ireo tantsaha mpiompy tantely ny teknika momba izany ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly. Nisitraka fiofanana nokarakarainy ireo tantsaha anatin’ny vovonam-pikambanana miisa telo ato amin’ny Faritra Analamanga. Fampiofanana tafiditra anatin’ny tetik’asa FFF FAO, izay miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra fa mandray anjara betsaka amin’izay asa izay ny tantely. Amporosihana noho izany ireo tantsaha ireo hiompy tantely sy hivelatra amin’izay fihariana izay hoy Andriamatoa Elysé RAHARISON, tompon’andraikitra ara-teknika ao amin’ny Tranoben’ny Tantsaha...

Zavatra iray tsy azo tsinotsinoavina eo amin'ny fianan'olombelona ny fifandraisany, na aman'olona, na amin'ny zava-boahary manodidina azy, na amin'Andriamanitra. Ho an'ny tanora dia manampy azy hivelatra ny fananana namana, mila fitandremana nefa ny fisafidianana ireo namana. Ny tena mpinamana dia mifampitarika amin'ny soa. Ny fitondran'ny namana na ny olona akaiky anao ny VIH/SIDA dia tsy antony tokony hanilikilihina azy velively. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Rehefa ao anaty tsy fahasalamana dia vao mainka toa mavesatra sy sarotra kokoa noho ny andavanandro ireo olana efa tandra vadin-koditra amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Manoloana izany indrindra anefa no tsy maintsy hanamafisana ny finoana sy ny fanantenana, ary iainana ny faharetana. Ireo finoana, fanantenana sy faharetana ireo no entin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Fahasalamana, hankaherezana ireo rehetra misehatra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana : dia ny marary, ny mpitsabo, ny mpikarakara ary ny havan’ny marary, mandritra ny fankalazana ny Jobilin'ny Marary...

Mbola mampiasa harina fandrehitra sy kitay amin’ny fahandroana sakafo ny 90% ny tokantrano malagasy eto amintsika. Mihazakazaka vokatr’izany ny velaran’ala ringana eto amintsika.

Ny fiarahan-dalana dia fifanatonan'ny olona na vondron'olona maromaro mba hiombona amina tanjona iray. Ny fiombonana indray dia fototra iray mampisy fahombiazana ao anatin'ny fiarahan-dalana. Ho an'ny fiainan'ny mpivady manokana dia mifanindran-dalana ny fiarahan-dalana sy ny fiombonana, rehefa miditra tanteraka amin'ny fiainan'ny andaniny ny ankilany. Mpiara-miombona antoka mitovy lenta ny mpivady, ary mifameno sy mifampiankina amin'ny ezaka hahatongavana amin'ny tanjona iombonana.

Eo amin'ny faha-50 taona no manomboka miditra amin'ny digam-piainana maha zokiolona ny olombelona. Misy ireo trangan'aretina izay tsy azo hamaritana velively ny maha zokiolona, satria ny maro amin'izy ireny matetika dia miseho noho ny fomba nitondran'ny tsirairay ny fiainany.

Ny vehivavy no matetika no voapanga ho momba, anefa tokony aorian'ny fizaham-pahasalamana eo amin'ireo mpivady vao afaka milaza hoe iza amin'ireo mpivady no momba. Mila arahina maso akaiky ny fahasalamana ara-pananahan'ny vehivavy, vao teraka hatramin'ny fotoana maha maoty azy. Ny antony : tsy misy fahamasahan'ny atodinaina ao amin'ny vehivavy, fahatsentsenan'ny fantsona mitondra ny atodinaina, aretina fokatry ny firaisana ara-nofo, fikorontanan'ny fadimbolana. Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Tanterahana any Mahajanga nanomboka ny 4 hatramin'ny 8 marsa izao ny fankalazana amin'ny fomba ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy. Loha-hevitra ho voizina mandritra izany ny hoe "fitovian-jo sy fizakan-tena ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra"...

Mbola maro ny vehivavy miaina ao anatin'ny fiankinan-doha. Maniry mafy izy ireny, ary manao ny ezaka rehetra, ny mba hizaka tena, noho izany dia maro koa ireo manararaotra izay finiavan'ny vehivavy te hizaka tena izay. Endrika iray isehoan'izany fanararaotana izany ny famarinana olona.

Ny fototra iorenan'ny fanabeazana dia ny fifampatokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ny fifampatokisana dia mampandroso sy mampivelatra ny ankohonana ; itsy voalohany koa dia mampirindra ny fiaraha-monina. Ny fifampitokisana dia mampisy fifanakaikaizana am-po amin'ny alalan'ireo fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra, fiarahana manao zavatra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...