30 aogositra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)
Olon'ny vavaka i Jesoa Kristy ary miantso antsika hivavaka matetika. Nivavaka foana izy na inona na inona niseho teo amin'ny fiainany : fanenjehana, fankahalana, ny fanendrikendrehana, ny fanaratsiana, ny fanamelohana ho faty sns... Amin'ny andro sarotra lalovantsika eo amin'ny fiainana izay mahatonga fahadisoam-panantenana dia aoka isika hivavaka toa an'i Jesoa hoy Papa François. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
29 aogositra 2024 — Ny namonoana an'i Masindahy Joany Batista — Fahatsiarovana — Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 6, 17-29)
Anisan'ny fanambaran'Andriamanitra ny Tenany ny fotoana nanaovana Batemy an'i Jesoa Kristy ; io seho teo amin'ny onin'i Jordany io dia mifandray amin'ny fiovan'i Jesoa tarehy tany an-tendrombohitra. Ny vavaka nataon'i Jesoa teo amin'ny onin'i Jordany dia vavaka samirery. Mazava fa fanambaran'Andriamanitra ny Tenany ny seho nisy tamin'ny Batemin'i Jesoa sy ny fiovany tarehy, ary miaro vavaka ireny... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco