Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 17-25)

Mitory an’i Kristy voafantsika izahay: fanafintohinana ho an’ny olona, saingy fahendrena ho an’izay voaantson’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
tsy ny hanao batemy no nanirahan’i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely.
Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.
Fa hadalana ny fampianarana ny amin’ny Hazofijaliana ho an’izay very,
ary herin’Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, satria voasoratra hoe:
Hofoanako ny fahendren’ny hendry; ary holaviko ny fahaizan’ny mahay.
Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr’izao tontolo izao?
Tsy nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?
Fa noho ny fahendren’Andriamanitra,
dia tsy nahalala an’Andriamanitra ny fahendren’izao tontolo izao,
ka dia ny hadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjena izay mino.
Fa ny Jody mila famantarana, ny Jentily mitady fahendrena,
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;
fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa
amin’izay voaantso, na Jody na Jentily.
Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona,
ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 1-2. 4-5. 10ab sy 11

Ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.

Hobio ny Tompo, ry olo-marina:
dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy!
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!

Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.

Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)

Inty tamy ny mpampakatra mandehana mitsena azy ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.

Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:
‘Inty tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’
Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:
‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’
Hoy ny navalin’ny hendry azy:
‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.’
Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:
‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’
Fa hoy ny navaliny azy:
‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’
Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...