1 septambra 2024 — Alahady Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-8a. 14-15. 21-23)

Ny vavaka no toy ny tondrozotra mitarika ny lalan'i Jesoa manatanteraka ny iraka ampanaovin'ny Ray Azy. Ny vavaka no mandavorary ny tontolon'ny andro iray. Ny Eglizy dia miezaka mitarika antsika isan'andro amin'ny vavaka : misy ny vavaka fanamasinana ny andro izay efa maro no manao izany ankoatra ireo manoka-tena. Ny vavaka no manokatra ny fo amam-panahintsika hanana fivelarana amin'Andriamanitra. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

31 aogositra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)

Misy zava-miafina izay tsy takatry ny saintsika amin'ny fiainan'i Jesoa hoy ny Papa fa maneho ny maha-Izy azy manontolo azy. Ny vavak'i Jesoa dia mifono mistery lalina izay tsy voavinavinantsika. Mila an'i Jesoa ny olona rehetra, indrindra ireo mila fanasitranana na ara-batana na ara-panahy. I Jesoa dia miaraka mivavaka amintsika ary mitondra ny vavaka ataontsika any amin'ny Rainy, hazoantsika fahasoavana. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...