Ankalazain'ny Fiangonana ny 19 janoary i Masindahy Maris. Olomanan-kaja avy any Perse i Masindahy Maris, niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy. Nibebaka ho kristianina izy ary nanaraka azy koa ny ankohonany dia tsy iza izany fa i Marthe vadiny sy ny zanany roalahy dia i Audifax sy i Abacum.
Misy antso tokana fa lehibe ao amin'ny Evanjely dia ny fanarahana dia an'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny fitiavana. Io no ivon'ny antso rehetra ; amin'izay ny fitiava-namana sy ny fibanjinana dia mirazotra ary mifameno, manambara tanjona tokana. Ny asa vokary ny vavaka, asa am-pitiavana natao mangingina dia azo lazaina fa asa mahagaga azon'ny kristianina atao ... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Alahady faha-2 mandavantaona — D : Ny hahasambatra antsika no sitrak’Andriamanitra ; Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Araka izay voalaza ao amin'i 1 Kôr. 12, 4-11 : [...] maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy; maro samihafa ny fanompoana nefa ny Tompo iray ihany ; [...] Fanahy iray ihany anefa no manao izany rehetra izany, sy mizarazara azy amin’ny isan’olona, araka ny sitra-pony. Sitrak'Andriamanitra ny hahasambatra antsika olony. Ny Evanjely araka ny voalaza ao amin'i Jo. 2, 1-12, mitantara ny fampakaram-bady tao Kanà any Galilea dia maneho ny finiavan'ny Tompo hampibaribary ny fitiavany antsika tsirairay avy...
I Masimbavy Prisca no tsaroana ny 18 janoary. Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Prisca, zanak'andriana izy io. Teo amin'ny faha-13 taonany izy no nenjehina fa hoe kristianina. Ny Amperora Claudius no nanjaka tamin'izany ary nanenjika ny fivavahana kristianina.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco