I Masimbavy Prisca no tsaroana ny 18 janoary. Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Prisca, zanak'andriana izy io. Teo amin'ny faha-13 taonany izy no nenjehina fa hoe kristianina. Ny Amperora Claudius no nanjaka tamin'izany ary nanenjika ny fivavahana kristianina.

Nobaikona hanolotra sorona amin'ny Apollon i Prisca, fa tsy nanaiky satria kristianina izy. Noho io fandavany io dia nampijaliana izy, nokapohana ary nalefa an-tranomaizina. Vao tafavoaka ny tranomaizina anefa izy dia nanamafy am-pahamatorana indray ny finoany an'i Jesoa Kristy. Tamin'izayapoka may sy fandorana tamin'ny menaka no saziny ary naiditra am-ponja indray izy. Natsipy hoanin'ny liona i Prisca nefa nam-pilaminana teo an-tongony ilay biby izay noheverina ho masiaka.

Mosarena nandritra ny telo andro tao amin'ilay fonja ho an'ny andevo i Prisca ary nampijaliana tamin'ny vy. Nendahina ty farango vy ny nofony ary natsipy tao anaty afo izy. Tsy nahafaty azy anefa izany ka notapahan'izy ireo tao Ostie ny lohany. Ny kristianina no nandevina an'i Prisca tao amin'ny fasan'i Priscille tao Aventin. Voalaza fa i Prisca no olomasina vehivavy voalohany avy amin'ny Fiangonana Tandrefana. Nijoro ho vavolombelon'ny finoana an'i Kristy ka lasa martiry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...