Ny tena ivon'ny fihainoana dia ny fo. Hita nisongadina ho olon-kendry i Salômôna mpanjaka na dia tanora aza satria nangataka tamin'ny Tompo izy mba "hanana fo mihaino". Manasa antsika hihaino amin'ny fo (corde audire), handray ny Tenin'Andriamanitra tsy amin'ny sofina eto ivelany fa am-panahy ao amin'ny fo i Md Augustine : manàna fo ao amin'ny sofina fa tsy sofina ao amin'ny fo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 10 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32
Manana sofina avokoa isika rehetra, kanefa matetika, na ireo izay manana fandrenesana faran'izay tsara aza dia tsy afaka hihaino ny hafa akory. Misy araka izany ny hasembanana marenina ao anaty, izay ratsiratsy kokoa indray noho ny fahasembanana ara-batana. Ny fihainoana araka izany dia tsy hoe mahakasika fotsiny ny retsi-pandrenesan'ny sofina, fa ny maha-olona manontolo mihitsy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 9 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco