Ny "apôstôlàn'ny fihainoana" no asa saro-pady indrindra amin'ny asa pastôraly. MIhaino aloha vao miteny, araka izay anentanan'i Jakôba apôstôly hoe : "Aoka ny tsirairay hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny". Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 20 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5
Tena ilaina ny mihaino sy ny mifampihaino na dia ao amin'ny Eglizy aza. Io no fanomezana tsara sy sarobidy indrindra azontsika hifanolorana. Aoka tsy ho hadinoantsika kristiana fa ny asa hihaino dia nankinin'ilay fatra-pihaino amintsika ary voaantso handray anjara amin'io asa fihainoany io isika. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 19 jona 2022 — Ny Vatana aman-dRa Masin'i Kristy — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 11b-17
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco