Ny mikasika ny fahefam-pitondram-panjakàna dia tokony hanome lanja ny zo fototra mahaolona ny olombelona, manasongadina ny fahamarinana. Ny fahefam-pitondrana ihany koa dia tokony hiantoka ny zo ara-politika izay omena araka ny takian'ny soa iombonana : ho an'ny olombelona sy ny firenena. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Talata 28 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 8, 23-27

Ny olomp-pirenena sy ny fanjakana dia hamporisihina mba handray anjara amin'ny fiainam-bahoaka : amim-pahavitrihana. Ny fandraisana anjara amin'ny fiainam-bahoaka dia miova araka ny tany sy kolo-tsain'ny mponina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 27 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 18-22

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...