20 septambra — Koreanina i André Kim Teagon, izy moa no pretra voalohany tao Korea. Teraka tamin’ny taona 1821 izy ary maty martiry tamin’ny toana 1846. Avy amin’ny fianakaviana Yangban izy. Ignace Kim Che-jun no rainy, ary ireo ray aman-dreniny dia niara-nibebaka nanaraka ny finoana kristianina.
Olon'ny fitiavana sy ny fiaraha-monina ny vehivavy ka miravona avy hatrany ny mety ho korontandrotana eo amin'ny fiainana vokatry ny toetra maherihery hananan'ny lehilahy. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Talata 20 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 19-21
19 septambra — Tao amin’ny diosezin’i Greneoble tao amin’ny tendrombohitr’i La Salette no niseho i Masina Maria ny 19 septambra 1846. Tovolahy kely 11 taona sy tovovavy kely 14 taona no nofidian’i Masina Maria hilazana ny hafatra. Mpiandry ondry izy ireo : i Maximin Giraud ilay tovolahy kely sy i Mélanie Calvat kosa ilay tovovavy.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco