20 avrily 2025 — Alahady, Fitsanganan'ny Tompo — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 1-9)
Alahady Paka : Nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa. Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo. Nitsangan-ko velona Aho ka tafaraka aminao indray, fa nomba Ahy ny tananao. Mahatalanjona loatra ny fahendrenao. Aleloia. Ny isa telo, voalaza hoe telo andro nijanonan'i Jesoa tao amin'ny fasana dia milaza hafenoana sy fahalavorariana. I Lazara dia efatra andro no nilevina tao am-pasana, isa efatra manambara ny lafivarolon'ny tany, manambara izao tontolo izao. Ny fitiavana no manana ny teny farany, porofo io fitiavana nasehon'i Jesoa io...
19 aprily — I Masindahy Léon IX dia papa teo anivon'ny Moyen-Âge. Bruno d'Eguisheim-Dagsburg no tena anarany ary teraka tao Eguisheim izy ny 21 jona 1002 ary maty tao Roma ny 19 aprily 1054. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana andriana tao Alsace i Bruno ary evekan'i Toul izy no notendren'ny amperora ho papa ka nankatoavin'ny mpitondra fivavahana tao Roma izany.
Noho ny Batemy noraisina, na ny Papa na ny Eveka na ny Pretra na ny Relijiozy sy ny lahika dia vahoak'Andriamanitra, voaantso handray anjara amin'ny maha-mpisorona an'i Kristry. Raha vahoaka mpisorona ny vahoaka mandrafitra ny atao hoe Eglizy dia miaina ny maha-mpisorona azy amin'ny alalan'ny vavaka ataony samirery na miaraka isan'andro... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco