20 avrily 2025 — Alahady, Fitsanganan'ny Tompo — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 1-9)

Iarahantsika mahalala sy miaiky fa ny Paka fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona no fototry ny finoantsika sady antoky ny fahavelomantsika mandrakaizay. Izao manko no itokiantsika fa tsy ny fahafatesana no tompon’ny teny farany. Miharihary amin’izao koa ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. Misantatra ny fandresena sy ny fiainana mandrakizay isika mino Azy. Rehefa namolaka ny vatantsika ary isika nandritra ny karemy dia ny zavatra any ambony no katsaho, hoy i Masindahy Paoly, izany hoe ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana sy ireo hatsaram-panahy hafa. Meteza isika havaozina isan’andro. Ilay tenin’ny Evanjely hoe “tamin’ny andro voalohan’ny herinandro”, toa milaza hoe fahariana vaovao no miseho rehefa resy ny fahafatesana.

Ambarantsika ao amin’ny fiekem-pinoana fa “nijaly sy maty ary nalevina FA nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo i Jesoa Kristy araka ny voalazan’ny Soratra Masina”. Izany hoe nandresy ny fahafatesana Izy araka ny fandaharan’Andriamanitra. Tsy nisy nanatri-maso akory ny nivoahan’i Kristy avy tao am-pasana, fa famantarana no dinihina ka manambara fa velona: ny lamba namonosana azy dia nivalona tsara ka tsy ahiana hoe mpangala-paty no nanao izany fa lamina avy amin’Andriamanitra; mbola nihaona tamin’ny mpianany Izy taorian’izany nanaporofo fa velona tokoa. Hodinihintsika lava hatramin’ny Pantekoty.

Marihintsika manokana eto i Joany ilay mpiantra malalan’i Jesoa: tonga alohan’i Piera izy satria mialoha lalana ny rafitra ao amin’ny Eglizy ny finoana sy ny fitiavana. Olona manam-pinoana sy manam-pitiavana no miombona ho Eglizy. Fa mifanindran-dalana amin’izay koa ny anjara toeran’i Piera ilay vatolampy nanorenan’i Kristy ny Eglizy; ka na dia tonga aloha teo amin’ny fasana aza i Joany dia niandry an’i Piera aloha: tsy misy finoana tonga ho azy sy mandeha amin’izao fa tanan’ny Eglizy sy ampianariny ka ekena, tarihin’i Piera dimbiasan’ny Papa.

Afaka ny fahotana; miverina amin’ny laoniny ny fihavanantsika amin’Andriamanitra; tonga zava-boary vaovao isika (ambaran’ny hoe marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro); ary ny tena lehibe dia manana ny antoky ny mandrakizay isika, manana ny tsimoky ny fitsanganantsika ho velona koa isika, noho ny Batemy, satria santatra ho antsika ny fandresen’i Kristy. Atolory azy ny tenantsika fa handresy tokoa miaraka aminy. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...