Misy ireo fianakaviana no tsara halaintahaka. Ohatra ny  fianakavian'i Louis Martin sy Zélie : azo lazaina ho mendrika sy lavorary amin'ny fifampitondrana mankeo amin'Andriamanitra. Izy iray  ankohonana mihitsy no lasa olomasina hajain'ny Fiangonana. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

Alarobia 16 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 11-28

15 nôvambra — Teraka ny 1193 tao Lauingen tao Souabe i Masindahy Albert. Albrecht von Bollstädt no anarany fa Albert le Grand no iantsoan'ny maro azy. Izy no nampiditra tao amin'ny oniversite tao Europe ny fahalalana sy ny fikarohana grika sy arabo.

Tsy mifanohitra ny fiainana andavanandro sy ny fiainana maha-kristianina fa mifameno tokoa ary tena mampivelatra ny maha-olona raha hita ilay lalam-baovao tokony hizorana. Ny fiaraha-miasa amin'Andriamanitra voalohany dia ny fanohizana sy fanatsarana ny asa-pahariana efa nataony. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...