Alahady 22 janoary 2023 — Alahady Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona A — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-23
Misy antony maromaro tsy mamparisika ny Kristiana tsy handeha hivavaka rehefa alahady : Mety ho tsy mazava ny fampianarana na tsy maharesy lahatra ; mety ho antony avy amin'ny mpitondra (fitondran-tena) ; mety ho hita taratra ny fitiavam-bola tafahoatra eo amin'ny mpitondra sasany ao amin'ny fiangonana. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Sabotsy 21 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy 3, 20-21
Ny fankamasinana ny andro alahady dia tsy miankina amin'ny safidy ho an'ny Kristiana vita Batemy satria didin'Andriamanitra. Ny atao hoe zanaka hendry dia ny fahaizany manatanteraka ny didy sy ny sitrapon'ny ray aman-dreniny. Ilaina ny mifandresy lahatra sy mifanentana mba hanaraka an'Andriamanitra sy ny sitra-pony. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco