31 mey — Ny famangian'i Maria an'i Elisabeth dia voatantara ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56. Tsaroana etoana ny fahamaizan'i Maria hiakatra ny tananan'i Juda, hitoetra eo akaikin'i Elisabeth zokiny, izany hoe tanana 6 km andrefan'i Jerosalema.
30 mey — Teraka tamin'ny 06 janoary 1412 tao Barrois ao Domrémy i Masimbavy Jeanne d'Arc. Ny 30 mey 1431 izy no nodimandry tao Rouen. Jacques d'Arc sy Isabelle Romée no anaran'ny ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo ka nanan-katao tokoa.
29 mey — Teraka tao Silly, Poitou tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo i Maximin. Fanta-daza tao an-tanana ny fianakaviana nipoirany ary nalaza tamin'ny fahamasinana. Hatramin'ny nahaterahany i Maximin dia nahazo fanabeazana mendrika. Mirahalahy izy no voaantso ho mpiandry ondry eo amin'ny Fiangonana.
28 mey — Zanak'olona manan-katao i Masindahy Germain. Tao Autun izy no teraka. Nalaim-panahy ny reniny saika hanala azy tamin'izy mbola tany am-bohoka, ary ny nenitoany tao Avallon, nandritra izy nianatra dia saika hanapoizina azy ihany koa, kanjo ilay zanaky ny nenitoany indray no nahasotro ilay poizina ka nalemy manandram-pahafaty.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco