♦ Nandeha ny feo fa misy olana ara-bola ankehitriny, eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitombo 170% ny tahan'ireo voan'ny tsimokaretina SIDA ahitàna soritra aretina ety ivelany manatona hôpitaly eto Madagasikara. Roa alina eo ireo olona voan'izany eto amintsika ankehitriny... ♦ Manana vahaolan'ny jiro sy rano eto Madagasikara ankehitriny ny Tany Développement. Azo atao tsara ny mamaha izany, amin'ny alalan'ny fanodinana ny fako ho lasa angovo hoy ity fikambanana ity... ♦ Nisafidy ny hiditra anatin'ny vondrona Erôpeana ii Moldavie, araky ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka. Nankasitraka izany ny filohan'ny Vaomiera Erôpeana, Ursula Von Der Layen...

♦ Tontosaina eto Ivato nanomboka ny sabotsy 19 hatramin'ny 22 ôktôbra 2024, ny fivorian'ny “Délégué provincial” momba ny fiofanana Salezianina aty amin'ny Faritra Afrika sy Madagasikara... ♦ Manodidina ny 20.000 eo ho eo ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/Sida eto Madagasikara, raha ny tatitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Azo atao tsara ny mamaha ny olan'ny jiro sy ny rano eto Madagasikara, ka nandroso vahaolana amin'izany, amin'ny alalan'ny fanodinana ny fako ho angovo, ny fikambanana Tany Développement...

♦ Misy indray ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky ny familiana ny zotran'ny lalambe migodàna... ♦ Nanolotra tolo-dalàna hanatsarana ny fanabeazana sy ny fari-piainan'ny mpanabe ny sendikà SEMPAMA Nosy... ♦ Zava-dehibe ny fiarovana ny renivohitr'i Madagasikara, hoy ny filoham-boninahitry ny fikambanana MAFAMI ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Miantso ireo miaramila namany handao ny tafika ny iray amin'ireo miaramila rosiana nitsoaka an-daharana izay tsy mankasitraka ny namakiana ny ady any Ukraine...

♦ Tena marary ny firenena, mikororosifahana ny fiarian-karena, maro ireo gaboraraka kanefa tsy tokony hararaotina ny fahantran'ny vahoaka. Hafatra nisongadina taorian'ny fivorianana nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana... ♦ Miisa 160 ireo tehina fotsy nozarain'ny Ministeran'ny Mponina sy ny Firaisan-kina, nandritry ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tehina fotsy natao tany Antsirabe... ♦ Nankasitraka ireo mpiara-miasa taminy akaiky, Mopera PEDRO tamin'ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny AKAMASO, roso ny dia aina no fetra hoy izy... ♦ Miisa 14 ireo nasandratra sy nambaran'ny Papa François ho Olomasina omaly, Martiry ny 11 ary mpanorona fikambanana ny 3 hafa...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...