♦ Nandeha ny feo fa misy olana ara-bola ankehitriny, eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitombo 170% ny tahan'ireo voan'ny tsimokaretina SIDA ahitàna soritra aretina ety ivelany manatona hôpitaly eto Madagasikara. Roa alina eo ireo olona voan'izany eto amintsika ankehitriny... ♦ Manana vahaolan'ny jiro sy rano eto Madagasikara ankehitriny ny Tany Développement. Azo atao tsara ny mamaha izany, amin'ny alalan'ny fanodinana ny fako ho lasa angovo hoy ity fikambanana ity... ♦ Nisafidy ny hiditra anatin'ny vondrona Erôpeana ii Moldavie, araky ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka. Nankasitraka izany ny filohan'ny Vaomiera Erôpeana, Ursula Von Der Layen...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...