♦ Tena marary ny firenena, mikororosifahana ny fiarian-karena, maro ireo gaboraraka kanefa tsy tokony hararaotina ny fahantran'ny vahoaka. Hafatra nisongadina taorian'ny fivorianana nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana... ♦ Miisa 160 ireo tehina fotsy nozarain'ny Ministeran'ny Mponina sy ny Firaisan-kina, nandritry ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tehina fotsy natao tany Antsirabe... ♦ Nankasitraka ireo mpiara-miasa taminy akaiky, Mopera PEDRO tamin'ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny AKAMASO, roso ny dia aina no fetra hoy izy... ♦ Miisa 14 ireo nasandratra sy nambaran'ny Papa François ho Olomasina omaly, Martiry ny 11 ary mpanorona fikambanana ny 3 hafa...

[audio src="/images/sounds/jma-20241021.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...