♦ Mandeha ny resaka fa mety hisy ny fivoriana tsy ara-potoana ny Antenimiera, hanovana ny fehezan-dalana momba ny zom-pirenena. Kajikajy pôlitika izany, hoy ny antoko Fiombonana, fa ny hanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana izao no tokony ho laharam-pahamehana... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon'ny CNaPS, ny Teraky ny Faritra Atsimo Atsinanana. Nanao fanambarana izy ireo, nilaza fa tsy mitombina ny fanenjehana azy, ary misy fitongilanana ny fampiharana ny lalàna...

♦ Samy manana ny heviny sy ny heveriny ahatanteraka ny fampandrosoana an'i Madagasikara pôlitika hoy ny loholon'i Madagasikara Erick Besoa, kanefa tokony ny tombontsoan'ny vahoaka Malagasy hatrany no tsinjovina... ♦ Tsy hisalasalana araka izany ny firosoantsika amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ity taona ity, hoy ny governoran'ny Faritra Analanjirofo... ♦ Voasambotry ny zandarimaria Ambohidratrimo, tamin'ny alatsinainy 3 jolay teo, ny olona 4 voarohirohy amina raharaha fisolokiana sy fivarotana laza adiny BEPC hosoka... ♦ Hanomboka ny 4 septambra ho avy izao ary hifarana ny 28 jona 2024 ny taom-pianarana vaovao 2023-2024, araka ny tetiandro navoakan'ny MEN, omaly...

♦ Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakàna mamaritra ny datim-pifidianana filoham-pirenena... ♦ Tsy niandry ny fahavitan'ny PNDE na ny drafim-pirenena momba ny Fitsnjaram-pahefana Miabo, ny governemanta fa efa nandeha hatramin'ny ela, ny ezaka samihafa ho fampiharana izany... ♦ Hikatona avokoa ireo birao fiasan'ny vadin-tany rehetra manerana ny nosy anio ka tsy hisy hiasa avokoa na ny vadin-tany na ny Clercs... ♦Nanakatom-baravarana nampitsahatra ny asany ireo mpiasa eo anivon'ny CNaPs manerana ny nosy...

♦ Nitohy androany ny fanakatonam-baravarana fampitsaharana ny asa ataon'ireo mpiasan'ny CNaPS manerana ny nosy. Hetsika hitohy mandram-pivalin'ny fitakian'izy ireo, hoy ny “délégués” sy ny sendikan'ny mpiasa... ♦ Namoaka fanamabrana ny Holafitry ny vadin-tany androany, fa mikatona avokoa ny birao fiasan'ny vadin-tany rehetra manerana ny nosy rahampitso... ♦ Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato mandritra ny roa andro ny Vovonam-pirenena ho fankatoavana ny drafi-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana Miabo, na ny PNDE. Nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy ny Filoham-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...