• Ho avy tsy ho ela ny fananganana ny Governemanta, hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo androany, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo. Governemanta hiasa sy hanome vokatra fa tsy ho lany andro amin'ny kabary, raha ny fanazavany... • Horaisin'ny Vikaria Manodidina Atsinanana ny fanokafana ofisialy ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika ato amin'ny Diosezin'Antananarivo. Hotanterahana ny zoma 24 oktobra 2025 izany... • Mbola mitana ny “Service zéro” ireo mpampianatra mivondrona ao anatin'ny Mpanabe Manova Ifotony na MMI. Milaza ny mbola hampiato ny asa fampianarana eny anivon'ireo liseam-panjakana maro eto Antananarivo sy any amin'ny faritra, izy ireo...

♦ Tsarao amin'ny asa vitako aho hoy ny praiministra, izy izay mametraka ny fanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana hanarenana ny firenena, nandray ny toerana maha praiministra azy ny maraina teo moa Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Miato ary hahemotra avokoa ireo fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakàna araka ny fanapahana navoakan'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara Kôlônely Michaël Randrianirina androany... ♦ Misy andian'olona mitady haka fahefana tsy ara-dàlana ka mitaky ny fanesorana ireo lehiben'ny Fokontany ao Antananarivo renivohitra...

♦ Niantso ireo solombavambahoaka mba handray ny andraikiny amin'ny tena fanarenana ny filohan'ny antenimieram-pirenena raha niantso ireo tanora tsy ho tafiditra amin'ny fandrika pôlitika kosa ny filoha mpisolo toerana ny antenimieran-doholona... ♦ Tsy maintsy ho henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben'ny firenena nanodikodina ny volam-panjakàna na harem-pirenena na eto an-tanindrazana na any ivelany, hoy ny fanambarana avy amin'ny Primatiora... ♦ Nalalaka tamin'ny foto-kevitra nijoroany ary manaja ny hevitra pôlitika hananan'ny tsirairay ny solombavambahoaka tamin'ny nanendrena ny praiministra hoy ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza...

♦ Miantso ny solombavambahoaka handray ny andraikiny amin'ny tena fanarenana ny firenena ny filohan'ny Antenimieram-pirenena. Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Tsy maintsy ho henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben'ny firenena. Tsy maintsy mamerina izay volam-panjakàna na harem-pirenena nahodikodiny ireo izay hananana porofo mazava... ♦ Takian'ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana (OSCEAH) ny tsy aharava ny atrik'asa sy ny famatsiam-bola teknika ataon'ny mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikarsa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...