♦ Notendren'ny Papa Léon faha-14 ho Eveka mpandimby toerana (Evêque coadjuteur) ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa ny sabotsy teo i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona... ♦ Ny 80% amin'ny solombavambahoaka lany tamin'ny alalan'ny IRMAR no efa nametra-pialana tao amin'ny vondrona parlemantera misy azy ary manohana ny asa fampandrosoana ataon'ny mpitondra ankehitriny... ♦ Nanandratra avo ny fanatanjahantena indray ny tsipy kanety be. Norombahan'i Madagasikara ny tompon-daka eran-tany ho an'ny olon-droa lahy sy vavy miaraka nandritra ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany ho an'ny tsipy kanetibe ho an'ny tanora taona 2025 natao tany Espagne...

♦ Hijanona ho an'ny Malagasy 100% ny orinasa Jirama ary tsy hisy ny fanesorana mpiasa hoy ny tale jeneraliny, tsy maintsy hirosoana hoy ity farany ilay drafi-panarenana efa natomboka ny volana jona 2024... ♦ Vonona hitondra anjara biriky amin'ny fanavaozana sy fanorenana ifotony ny firenena ireo manampahaizana manokana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakàna sy fitantanam-bolam-panjakàna nivoaka teo anivon'ny ENAM... ♦ Miatraika amin'ny fandraisana an-tanana ireo marary ny fitokonana ataon'ireo interne en médecin eny anivon'ny Hopitaly HJRA, manome fe-potoana 72 ho an'ny tompon'andraikitra mahefa hitady vahaolana araka izany ireo mpitsabo...

♦ Andrasana amin'izao faran'ny herinandro izao ny fijoroan'ny governemanta vaovao hotarihan'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Voatazona am-ponja vonjimaika ao Maorisy ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga araka ny didy fisamborana avy amin'ny Financial Crimes Commission (FCC)... ♦ Eo am-panomanana ny fikaonan-doha nasiônaly hanatsaràna ny fomba fitantanana sy fanamafisàna ny andraikitra sahaniny ny tafika Malagasy araka ny toro-marika avy amin'ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Michael...

• Nahitana lesoka ny sehatry ny fanabeazana, indrindra ny mahakasika ny fanadinam-panjakana tamin'ny taon-dasa. Nifantoka tamin'izay indrindra ny hafatry ny Eveka eto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ho an'ity taom-pianarana vaovao 2025-2026 ity... • Raha tsy misy fiovana dia tokony ho tafajoro amin'ny alahady izao fara fahatarany ny Governemanta, tarihin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo... • Hiroso amin'ny fanakatonana ireo masoivoho samihafa eto Antananarivo, manomboka amin'ny alatsinainy izao, ireo mpiasan'ny orinasa JIRAMA, araka ny toromarika nomen'ny mpitarika ny sendikan'ny mpiasa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...