♦ Tontosa omaly alahady 5 nôvambra 2023, tao amin'ny katedraly Trinite Masina, Ambatoambo, Ambatondrazaka, ny fanaovam-beloma farany an'i Mgr Antoine Scopelliti... ♦ Milamina ny famatsiam-bolan'ny fifidianana mahatratra hatrany amin'ny 46 miliara Ariary mahery izany. Miroso hatrany any amin'ny fanatanterahana ny fifidianana ny eo anivon'ny CENI... ♦ Nahafatesana olona miisa 8 ny fitrandrahana volamena tao Ambohimangakely, Fokontany Mahatsinjo, Kaominina Alatsinainikely any amin'ny disitrika Miarinarivo-Itasy, tamin'ny herinandro teo... ♦ Nahatsiaro sy nitondra am-bavaka ireo lasibatra tamin'ilay horohorontany nitranga tany Nepal, tamin'ny zoma lasa teo ny Papa François, tamin'ny famaranana ny vavaka Angélus...

♦ Tsy vao sambany teto amin'ny firenena no nisy ny disadisa mialoha ny fifidianana fa nisy hatrany izany ; nirosoana hatrany ihany koa anefa ny fifidianana satria tany tan-dalàna i Madagasikara hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Miantso ny mpanao pôlitika hifantoka amin'ny fifidianana amin'izay ny Préfet an'Antananarivo... ♦ Mitohy ny asa fampandrosoana sy ny fampandehanan-draharaha tanterahin'ny governemanta eto amin'ny firenena. Manatanteraka ireo tandrify azy ny isaky ny departemanta... ♦ Tsy nampoizina ny fitsidihan'ny sekreteram-panjakàna amerikana Anthony Blinken tany Irak omaly alahady ; nafampana ihany ny fihaonana teo aminy sy ny praiministra Irakiana...

♦ Efa mafampana ny raharaha ao an-drenivohitra ao, ary efa nipoaka ny entona mandatsa-dranomaso, efa nisy koa ny fisamborana olona... ♦ Nifanome tanana amin'ny famahana ny disadisa pôlitika lalim-paka misy eto amin'ny firenena ankehitriny, ny FFKM sy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Fototry ny olana ankehitriny ka mila hajanona aloha ny fisisihana hanatanteraka fifidianana amin'ny 16 nôvambra 2023, hoy SECES Sampana Antananarivo... ♦ Niharan'ny zera baomba nataon'Israely ny fiara mpitondra marary izay hiditra ao amin'ny hopitaly lehibe iray ao Gaza...

♦ Tsy azo hidirana nanomboka ny maraina teo eny amin'ny kianja ny 13 mey ary handray andraikitra mifanandrify amin'izany ny mpitandro ny filaminana... ♦ Samy hanatanteraka hetsika pôlitika ao an-drenivohitra anio ireo kandidà ho filoham-pirenena tsy mitovy hevitra. Hidina eny an-kianja hanao diabe anio ireo mpanaradia ny kandidà laharana fahatelo. Hifamotoana eo amin'ny kianja ny 13 mey ny vondron'ireo kandidà... ♦ Fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao ary tsy ilana fangatahana lalana izany satria efa fanjakana tsy ara-dalàna no mijoro ankehitriny, hoy ny antoko MFM... ♦ Farafahakeliny 119isa ireo maty ary maherin'ny 100 ireo naratra vokatry ny horohorontany nitranga tao Népal...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...