♦ Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona mararin'ny MPox eto Madagasikara. Iray volana mahery nahitàna azy, 395 ny tranga rehetra hita manerana ny nosy, Faritra 20 ankehitriny no misy azy... ♦ Hanaraka ny fivoarana misy eran-tany ny fanavaozana ny fiankohonana sy ny fahiziny eto Madagasikara. Hoampiasaina ny fisoratana anarana biômetrika. Notanterahana omaly teny Anosy ny atrik'asa teknika nandinihana ny momba izany... ♦ Tapa-kevitra ny hanome lanja ny fikarohana hipaka amin'ny fampandrosoana ny fitondram-panjakàna. Natao omaly teny amin'ny lapam-panjakàna Mahazoarivo ny sonia fiaraha-miasa momba izany...

• Tao amin'ny Kaominina Belafika, Distrikan'Ampanihy no nisy ny foiben'i Ewetse tamin'ny 3 ora tolakandro, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo, tamin'ny 4 ora tolakandro... • Hiroso amin'ny fisoratana biometrika isika eto Madagasikara manomboka izao. Hisitraka izany avokoa ny olom-pirenena Malagasy rehetra feno 18 taona no mihoatra, ho fanavoazana ny fiankohonana sy ny fahizina... • Omena lanja manomboka izao ny fikarohana, mba tena hipaka any amin'ny fandrosoana. Tontosa androany teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa momba izany...

♦ Tsy tafiditra ny toeram-piasàny teny Ambohidahy nanomboka ny maraina teo ireo mpiasa sy mpandraharaha eo anivon'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC)... ♦ Mampatahotra ny fomba fanao pôlitika eto Madagasikara satria tsy mifototra amin'ny tsy fanarahan-dalàna ny fanenjehana olona hoy ny Filoha Lefitra fahafito avy amin'ny fanoherana eny anivon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Manao fitokonana fanairana ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana, tsy nahitam-bahaolana mantsy ny dinika niarahan'izy ireo sy ny tompon'andraikitra...

♦ Hiditra an-tanety eo anelanelan'i Anakao sy Androka any Ampanihy anio maraina eo anelanelan'ny amin'ny 9 ora hatramin'ny 12ora antoandro ilay rivodoza Ewetse... ♦ Nankatoavina am-bava nandritry ny filan-kevitry ny ministra omaly talata faha-20 ny volana janoary ireo tetiandrom-panadinam-panjakàna vaovao, tanterihana ny volana jona ihany ny fanadinana CEPE raha ny volana jolay kosa ny BEPC sy ny Bakalôrea... ♦ Jiolahy miisa enina no lavon'ny balan'ny pôlisy avy amin'ny USI (Saka Maity), teny Ambohijanaka-Atsimondrano ny alin'ny alatsinainy 19 janoary 2026, teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...