♦ Niampy iray indray ny olona matin'ny Coronavirus teto Madagasikara, 10 izany izao ireo namoy ny ainy vokatr'izany valan'aretina izany... ♦ Tany Tchad, 34 ireo olona narary mafy nitondra ny tsimok'aretina Cornavirus, sitrana soa aman-tsara noho ny fampiasana ny Covid Organics fotsiny... ♦ Tsy mbola tonga any amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, na ny Birao mahatitra aloha hatramin'ny androany ny amin'ny hoe fiksaana fandravana na fanonganana azy ireo...

♦ I Mompera Bizimana Innocent no voatendry hitantana ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny nosy Maurice manomboka izao ary haharitra enin-taona... ♦ Tokony hametraka paik'ady hitsinjovana ny sosialim-bahoaka eto amintsika ny fitondram-panjakana manoloana ny fahavoazava ateraky ny ady amin'ny Covid-19 hoy ny CFM...

♦ Nitombo 44 indray ny isan'ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika, araka ny tarehimarika omaly... ♦ Mitohy hatrany ny tatitry ny asa vita ataon'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta eo anoloan'ireo Solombavambahoaka... ♦ Miara-miasa amin'ny orinasa JIRAMA amin'ny fanamorana ny fahafahan'ny mpanjifa mandoa ny faktiorany ny banky BOA Madagasikara...

♦ 44 indray ny tranga vaovao nahitana ny tsimok'aretina Coronavirus raha ny tatitry ny CCO Covid-19 androany... ♦ Isan'ireo lalàna navaozina teto amintsika ny lalàna mifehy ny fifandraisan-davitra, ny lalàna mifehy ny serasera... ♦ Làlampirenena maromaro no amboarina amin'ity taona ity raha ny nambaran'ny Ministry ny Fanajariana ny tany sy Asa vaventy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...