♦ Natomboka androany ny fanamboarana ilay Fasan'ny Firaisam-po, ho an'ny etsy Anosiala Ambohidratrimo. Velaran-tany 5000 m2 no atokana handevenana ireo matin'ny Coronavirus... ♦ Maherin'ny 35% ny tahan'ny fiabon'ny olona mitondra ny Coronavirus tamin'ireo fitiliana omaly. Nisy tranga 390 indray hita, olona enina namoy ny ainy, raha ny antontan'isa nivoaka androany...
♦ Miantso ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny mba hijery haingana ny tena zava-misy marina momba ny fanafody sy ny fandraisana an-tanana ireo ao amin'ny hopitaly manara-penitra Morondava, ny Eveka any an-toerana Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina... ♦ Nihemotra laharana telo ny laharan'i Madagasikara manoloana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety... ♦ Tsy ho voaarina intsony ny fari-pahaizan'ny mpianaatra ankehitriny hoy ny Ministra teo aloha Paul Rabary...
♦Mihemotra ny fara-fisoratana anarana ho an'ny fanadinam-panjakàna CEPE sy BEPC. Voatazona kosa ny datim-panadinana efa nivoaka... ♦ Tokony efa hiomana amin'ny mety fidiran'ireo karazana coronavirus miova endrika eto Madagasikara ny tsirairay, hoy ny mpandinika fiaraha-monina Rabary Paul, sarotra mantsy ny hanidy tanteraka ny sisin-tany... ♦ Tsy tokony ho sakana tsy hahafehezana ny krizy ara-pahasalamana ny fampandehanana ny toe-karena raha samy mandray andraikitra...
♦ Mbola maro an'isa amin'ny tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina ny eto Analamanga. Ny 329 tamin'ny tranga vaovao miisa 404 manerana ny Nosy dia teto amin'ny Faritra Analamanga avokoa... ♦ Mikatso ny toe-karena, voakasik'izany ny sehatry ny fizahan-tany. Aleo mba hisy fijerena miandalana ny famahana ny krizy ara-toekarena, hoy Andriamatoa Faly Ramakavelo, mpandraharaha amin'ny sehatry ny fizahan-tany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco