♦ Nitafa tamin'ny vahoaka malagasy alina ny filoham-pirenena Andry Rajoelina manoloana ny firongatry ny valan'aretina Covid. Nambarany fa hampiharina eto amin'ny faritra Analamanga isaky ny sabotsy sy ny alahady ny fihibohana tanteraka... ♦ Miisa 88 sy 500 ny ranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ny sabotsy teo tamin'ny fitiliana miisa 1.696, sitrana 327, miisa 04 no lavon'ny aretina... ♦ Miandrandra fampandrosoana tsy mitanila sy ny fampiasana ara-drariny ny fitaovana fanamboaran-dalana avy amin'ny fitondram-panjakana ny député an'i Soavinandriana...
♦ Nodimandry teo amin'ny faha-79 taonany alina ny jeneraly Rasolosoa Dolin, hisy ny fanaovam-beloma farany azy ataon'ny tafika malagasy eny amin'ny lalana digue... ♦ Madiva hifarana ny 15 andro nampiharana ny hamehana ara-pahasalamana teto Madagasikara. 87 ny olona matin'ny coronavirus tao anatin'ny 15 andro... ♦ Hihabado ny mpianatra malagasy raha mbola tohizina ny fakàna enti-mody any am-pianarana hoy ny vovonan'ny sekoly tsy miankina laika...
♦ Nodimandry ny Jeneraly Rasolosoa Dolin... ♦ Nihaona tamin'ny Praiministra Ntsay Christian ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristtiana eto Madagasikara na ny FFKM... ♦ Manao antso avo amin'ny firongatry ny halatra lavanila manta ny Kardinaly Désiré Tsarahazana...
♦ Tsy mitsaha-miakatra ny tahan'ny fiaboan'ny fitiliana ny coronavirus eto Madagasikara, tranga vaovao 832 no hita tamin'ireo fitiliana 1.907... ♦ Nitokona an-dalam-be tamin'ny faritry ny toeram-ponenan'ny mpianatra teny Ankatso androan'ny ny mpiasan'ny Croua... ♦ Miantso ny manam-pahefana handray ny andraikiny manoloana ny firongatry ny halatra lavanila any amin'ny tapany atsimon'ny faritra atsinanana ny Evekan'i Toamasina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco