♦ Vinavinaina ho afaka handray anjara amin'ny fifidianana Filoham-pirenana amin'ny taona 2023, ireo teratany Malagasy monina any Frantsa, araka ny kabarin'ny Filoham-pirenena tao Paris... ♦ Tadiavin'ny Kaominina Antananarivo alaina ny ampahany amin'ny Kianja Maki Andohatapenaka, araka ny fitarainan'ny Federasiôna Malagasin'ny baolina lavalava. Mangataka fihaonana amin'ny Filoha izy ireo, manoloana izao zava-misy izao...
♦ Manamarika ny faha-155 taona nivoahan'ny gazety voalohany, ny Gazety Teny Soa i Madagasikara amin'ity. Natomboka omaly ny hetsika fankalazana... ♦ Nanamafy ny fitakiany ny amin'ny hampitsaharana ny fanaratsiana an'Andriamatoa Randrianasolo Brice ireo mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany eto Madagasikara... ♦ Hiakatra fitsaràna ao Afrika atsimo indray ireo malagasy 3 lahy voarohirohy tamin'ny fanondranana antsokosoko volamena maherin'ny 73kg...
♦ Tokony hotohizana ny fifampidinihina momba ireo nosy malagasy manodidina na ny îles eparses natomboka tamin'ny taona 2019 hoy ny filoha frantsay Emmanuel Macron... ♦ Nitatitra ny asa vitany tamin'ny taona 2020 ny teo anivon'ny Bianco. Nanambara ny tale jeneraly fa nisy nanararaotra ny amehana ara-pahasalamana teo amin'ny kolikoly... ♦ Nanoratra taratasy ho an'ny federasiôna malagasin'ny baolina kitra ny CAF fa tsy azo atrehin'ny mpijery ny lalao ihaonann'i Barea amin'ny Beninois...
♦ Voaresaka nandritra ny fihaonan'ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny Filoha Andry Rajoelina, androany tolakandro, ny mikasika ireo Nosy manodidina na ireo "Iles éparses"... ♦ Tao aorian'ny fanatanterahana ny fihaonam-ben'ireo mpandraharaha avy amin'ny tany mampiasa ny teny frantsay, dia nanapa-kevitra ireo mpandraharaha nandray anjara fa tsy hiandriandry izy ireo fa misy avy hatrany ny drafitr'asa napetraka hatao ato anatin'ny telo volana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco