♦ Tsy misy fiovàna fa mitoetra ny fandaharam-potoana sy ny lamina efa napetraka amin'ny Eokaristia Masina hatao etsy amn'ny seminera Propédeutique Amboara rahampitso zoma... ♦ Lavin'ny Vovonan'ny foibem-pitantanana nasiônalin'ny fampianara tsy miankina ny fampandoavana vola ny sekoly tsy miankina hiatrehana ny fanadinam-panjakàna CEPE sy ny BEPC...
♦ Mila vahana haingana ao anatin'ny fifampiresahana ny fitakiana samihafa amin'izao fotoana izao hoy filohan'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Valan'aretina covid-19 : miisa 02 no lavo ary 138 ireo tranga vaovao voatily araka ny tatitra nivoaka omaly... ♦ Mitsipaka ny fampiharana ilay fanovàn'ny fanjakàna ireo sokajy isafidianana amin'ny fanadinana Bakalôrea ny vovonan'ireo foibem-pitantanana nasiônalin'ny fampianarana tsy miankina...
Nampitovy tandin-dokanga niaro ny fitondrana, nandritra ny lahateny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan'ny andrim-panjakana mpanao lalana, ny Filohan'ny Antenimieran-doholona sy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena. Tokony hitadiavana vahaolana haingana ireo fitakiana samihafa, hoy Ramatoa Christine Razanamahasoa. Miantso fifampidinihana hamahana ireo olana samihafa ihany koa, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana...
♦ Nisokatra tamim-pomba ôfisialy androany etsy amin'ny CCI Ivato ny fivoriana tsy ara-potoana an'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mbola tsy resy lahatra amin'ny fanafarana ny vaksiny fanefitry ny coronavirus ny fitondrana malagasy... ♦ Mangataka tsy misy fepetra ny fametrahampialan'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny ministera, izay tsy mahavaha olany ny sendika mahaleo tenan'ny inspecteurs du travail...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco