♦ Tratran'ny aretina mbola tsy voafaritra mazava tsara, ny akoho manatody lava, ao Antanetibe Mahazaza ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nidina hatrany amin'ny 50% ny tahan'ny fanatodizan'ny akoho amin'izany... ♦ Miatrika ny Zaikabe faha-9, arahan'ny Fivoriam-be ny Fanilon'i Madagasikara. Fihaonana hatao ny 29 aogositra hatramin'ny 6 septambra izao, eny Ambohipo...
♦ Liana amin'ny fampiasam-bola aty Madagasikara sy ny hiara-miasa amin'ny mpandraharaha malagasy sy ny fanjakana malagasy, ireo mpandraharaha marôkanina sy belges, izay nihaona tamin'ny delagasiôna notarihin'ny Filoha malagasy, tany Frantsa omaly... ♦ Tsy misy afa-tsy valo alina sy roa hetsy ireo mpandraharaha mandoa hetra ara-dalana sy manana NIF, eto Madagasikara...
♦ Be loatra ny fitarainana momba ny resaka kolikoly, teo anivon'ny tahirim-bolam-panjakana, ka antony nampiatoana teo amin'ny asany ny Tele jeneraly teo aloha, hoy ny Minisitry ny Vola sy ny Fitantanam-bola... ♦ Omby roanjato ny tratry ny aretina any Arivonimamo, ka iray no maty tamin'izy ireo...
♦ Nitondra fanazavana amin'ny antony nanesorana ny Tale Jeneralin'ny Tahirim-bolam-panjakana ny Minisitry ny Fitantanam-bola androany. Nambarany fa be loatra ny fitarainana momba ny resaka kolikoly teo anivon'ity tahirim-bola ity... ♦ Tsy ho ampy handoavana ny karaman'ny mpampianatra Fram ilay filazana "zéro Ariary" amin'ny fampidirana mpianatra eny amin'ny sekolim-panjakana, hoy ny federasiôn'ny mpampianatra eo anivon'ny sendika FISEMARE...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco